Fanarenana ny toe-karena aorian’ny COVID-19 : vahaolana azo antoka ny harena an-kibon’ny tany

Toa ireo firenen-drehetra dia miatrika ady i Madagasikara ankehitriny noho ny fisian’ny valanaretina Coronavirus. Tokana ny tanjona manoloana izany dia ny hivoahana ho mpandresy. Anisan’ireo seha-pihariana voakasika amin’izao krizy ara-pahasalamana misy izao ny sehatry ny harena an-kibon’ny tany. Raha oharina amin’ireo seha-pihariana hafa anefa, dia azo lazaina fa miavaka izy, satria tsy voatery hiantehitra amin’ny fanampiana ara-bola goavana, izay mbola angatahana, vao afaka miditra amin’ny fanomezana ainga vao ny toe-karen’i Madagasikara mandritra sy aorian’izao krizy izao. Tsotra ny fanampiana ilain’ny mpiantsehatra, dia tosika avy amin’ny Fanjakana hanokafana ny lalana hirosoana amin’izany ainga vao izany.

Nandritra ny roa andro, nanomboka omaly, dia nisy ny fihaonana sy fifanakalozan-kevitra natao teo ambany fitarihan’ny Minisitry ny Harena an-kibon’ny tany sy ny Loharanon-karena Stratejika Fidiniavo RAVOKATRA, nijerena akaiky ny zava-misy iainan’ny seha-pihariana harena an-kibon’ny tany niaraka tamin’ireo mpiantsehatra isan-tokony, teny Ampandrianomby. Ny avy ao amin’ny Chambre des Mines de Madagascar, ivondronan’ireo mpitrandraka vaventy toa an’ Ambatovy, QMM, Base Toliara no nanomboka ny fihaonana ny Alatsinainy 11 May ary nodimbiasan’ireo mpandraharaha teratany, ny Talata 12 May 2020. Noresahana nandritra izany ny fiantraikan’ny krizy misy amin’ny asa fihariana, ny fifanakalozana ho amin’ny soso-kevitra fohy ezaka hanampiana tosika ireo mpiantsehatra manoloana ny krizy lalovana ankehitriny. Nasian-teny ihany koa ny anjara biriky nentina sy mbola ho entin’ny tsirairay miatrika ny fiantraikan’ny COVID-19 ankehitriny, ary manarina ny toe-karem-pirenena aorian’izao zava-misy izao. Ankoatr’izay, hetaheta niombonan’izy ireo ny hiverenana amin’ny fijerena ny famoahana fahazoan-dalana (permis minier).

Nambaran’ny Minisitry ny Harena an-kibon’ny tany sy ny Loharanon-karena Stratejika Fidiniavo RAVOKATRA fa paikady tsotra ny miantehitra amin’ny herin’ny tena, dia amin’ireo harena ananan’ny firenena manoloana izao krizy ara-pahasalamana izao. Azo atao tsara ny mampiodina ny sehatry ny harena an-kibon’ny tany, ary samy resy lahatra ny rehetra fa afaka manampy betsaka ny Fanjakana amin’ny fanarenana ny toe-karem-pirenena izany. Mila tosika sy fifanomezan-tanana avy amin’ny Fanjakana nefa izany, hoy hatrany izy.